4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Vol1. fantatrao - Ny Antsa Fitiavana

Reférence :

« Jehovah ô, efa nandinika ahy Hianao ka mahalala ahy ;

Hianao no mahalala ny fipetrako sy ny fitsangako Sady mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny ;

Voadinikao ny tœtro, na mandeha aho, na mandry; Ary fantatrao tsara ny alehako rehetra.

Fa, indro, tsy misy teny tsy fantatrao eo amin’ny lelako, Jehovah ô. »

(Salamo 139:1-4)



---------------------------------------------------------------------



1. Jesosy ô ! eto anatrehanao

No amborahako ‘zao adin-tsaiko izao

Mavesatra amiko, tsy toy ny teo aloha

Hatramin’ny fotoana nanekeko fa hanoa



2. Jesosy ô! Nambara tamiko

Tsy mendrika Anao ny fo sy toetrako

Fa mbola mankahala aho, maditra ihany koa

Toa mifanohitra amin’ny Anaranao izay entiko



IANAO IRERY TOMPO O! NO MAHALALA AHY

HITANAO AVOKOA NY ALEHAKO

FANTATRAO TSY MISY MIAFINA IZAY VITAKO HATRIZAY

JESOSY O! METEZA HIHAINO AHY



HITANAO FA MBOLA KELY AHO, OSA NY FANAHY

NA MIKASA SY MIBEBAKA AZA IZAO

MBOLA METY HANADINO KA HO LAVO INDRAINDRAY

JESOSY O! METEZA HITANTANA AHY



3. Jesôsy ô! Indraindray anie fantatro

Fa tsy mba sitrakao izay saintsainiko

Kanefa dia niniako, tanterako avokoa

Saingy anenenako ireny, tsy nahitako soa



4. Jesôsy ô! Ifonako Aminao

Raha noho ny amiko, ny fitondrantenako

No handavan’ny olona tsy handray Ilay Fitiavanao

Sy hanaovan’ireo tsinontsinona ny Anaranao



Tonony sy feony : RAKOTONANAHARY Haritiana

2003

Partager vol1. fantatrao

Commenter vol1. fantatrao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Antsa Fitiavana

Suite